Ho anao (MANDA ARIVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
maro ny vony ka tsara ny mifidy
'lay tokana an-tany tsy voantam-bidy
fo niantsampy fa sendra ny tiany
Toa faly nibitaka tsy toa ny hafaliany
angmba nifanojo ny tia sy ny tiana
Iriako ho fitiavana iray tsy hangina.
nampidoboka fo tsy haiko tohanana
Ahitanao maso 'lay vetsom-pitiavana
nandramako hampita amin'ny hafatra miafina
Kinanjo tsy sahy, tahotra ho lavina
naleko naseho tamim-pihetsika aloha
Onona hoahy ny tsy mijaly ao am-po
ankehitriny toa tsy aritro intsony
toa feno mitobaka tsyomby ny gony!!!!!!
ry tovovavy ambarako etoana
Ity re ny foko sanatria tsy ho foana
Atolotro anao 'lay feno fitiavana
Nampiarahiko vetso natao tohy vakana
Azafady fa tsy hoe manao kilalao
Orimbaton'nyfoko ny hoe tianao
tsoriko mantsy ,tianao de'zay
babo tanteraka ny aty fanahy........


MANDA ARIVELO
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MANDA ARIVELO
Nampiditra : kaim
Daty : 11/07/2005 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164