Mandehana ... (MANDA ARIVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!
efa niandry ahy hono ianao
niandry foana teo
nefa izaho nihipoka de tao
tsy omeko tsiny ianao raha leo
raha leo ianao de mandehana
f'izaho akory tsy hitana
tsy hihazona akory
ka ' ndeha ny lalanao no zory
f'izaho anie ka moana
toa tsy hiteny na oviana
ka aza miandry eo foana
sao dia very tiana
Malala a!
f'efa niandry ahy hono ianao
isaorako tokoa izany
koa mandehana dieny izao
fa betsaka any ho any ...
tsy mba toa ahy

MANDA
(22-04-03)
--------
Rohy:
1481 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MANDA ARIVELO
Nampiditra : kaim
Daty : 07/07/2005 14:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132