TORAMPO (MANDA ARIVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo o!,
meteza ianao hiheno
zay mba menimeniko anio
ny ankoatrako tampeno
iray minitra aho mb\'hitodiho
Fa raha mangataka aho tsy ho ahy
tena marina e! tsy ho ahy..
F\'ho an\'ireo :
.. Omaly aho zao nahita
teroa an-tsisin-dalana
efa mitofezaky ny hatsika
miandry zay mba manana
Dia ny sasany any zao
mifofotra mitady
manao ny ainy ankilabao
ho an\'ny zanany aman-bady
Ny sasany aza moa
mitrongy zay vao homana
efa mila hahvaky loha
vao iny vidin-katsembohana
Fa aza arianao izy ireny
fa tsy sitraky ny fony
ny tsy hitandrina ny Teny
sy handà izay ninoany
Fa Ianao mahalala
ireo ondry mpilalao
ka raha nisy nihoatra vala
mbola ho tadiavinao...!
Dia,
Ankoatr\'izay aza adino
lay malalako ankamatatra
mba ambeno sy tsimbino
tsy hanova lay filamatra
F\'izy be mpitsiriritra
fa nataonao manja kely
k\'ilay fitiavany,
aza avela ho ritra
na ho foana velively
Dia meteza mba hafarako
ilaza azy monja hoe:
\"efa nataonao ho anjarako,
ny hitia azy ela be!\"
dia,
raha mety ,raha azo atao
ry Tompo Ray Tsitoha
ny fony aza alavitra anao
sy ny ahy koa...!
dia izy irery hatrany
no ilazao izany
IZY IRERY IHANY !!!
Ary farany,
ampitaiko ny fangatahany
ilay izay ankoatr\'ireo
henoy ny fivavahany
raha mila vonjy mba vonjeo!
Dia angamba
aok\'izay fa lava loatra
sady tapitra ny lera
Ray masina o! misaotra
ho Anao ny laza sy ny dera!
AMEN.

24.12.05
--------
Rohy:
1303 0
Hevitra mandeha
IDEALY ( 02/02/2006 15:37)
tsara daholo zany tononkalo ato zany
misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MANDA ARIVELO
Nampiditra : kaim
Daty : 26/01/2006 06:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137