NY FIAINAKO (mandan'ny fo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainako ve? toa sembandrahona mamirifiry
toa anaty aizina tsy misy azavana
Ny fiainako ve? toy ny masoandro tsy hita firy
toa ririnina nilaozan'afanana

Ny fiainako?adintsaina, sentosento lava
feno akivina sy alahelo arahina tomany
Ny fiainako toa fiainana ranomason-jaza?
tia lotra aho ka hasa raha misy toa ahy any ho any?

famoizampo, fanarina toky no hany azoko niainana
eny, reo no tao andoha, tao ampo noheveriko ahasoa
satri na havana,na namana, na saikaiza tsy mba azo nitarainana
ka ho feno fahorina Ny fiainako satria mafy rehefa voa.

ho anao izay mamaky ity tononkalo
faingana ambarao azy zay ao amponao rehetra
aza ianandrasana masoandro mody vao hikalo
sao nofo mangatsika no hiaino anao, fa ny aina manampetra

aza iandrasanao ny ampitso, raha toa ka amela ny hadisony
fa ny niainany omaly, tsotra noho ny anio tadidio
ndrao izy tsy afaka ny amaly anao intsony
tsy handry ampiadanana ny fony, raha ny adisoany no tsy voadio

mety maro ianareo any ho any
miaina zava-tsarotra tokoa
mahaiza reh mifampitondra, mifankatia hatrany hatrany
satria ny anareo fitiavan'olon-droa

aza atao fitiavan'olo-tokana
na lahy ianao na vavy
ary aza atao tsinotsinona ny fisiny
ary tsarovy fa fitiavany anao manokana
no nahatonga azy ho tokampo, saropiaro, malahelo ka aza omena azy ny tsiny.

Mandan'ny fo
23-07-2020 19:53
--------
Rohy:
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mandan'ny fo
Nampiditra : RwodyN
Daty : 23/07/2025 17:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118