Nofy (mandan'ny fo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ho sanatria ve ka ho nofy ihany
Lay isika nifampizara fitia?
Fa toa feno amamiana tsy mety lany
Toy ireny zaza mifankatia

Fa mamy sy mangindy nifanesisesy tao
Adiady kely manify
Alahelo, fifaliana tsy misy toy izany
Kanefa moa indrisy

Indrisy fa zary nofy ihany sisa
Lay isika nifanaiky ho doria
Fa ravan'ilay adiady ary koa disadisa
Lay nifanaiky hifankatia

Tsy haiko ny ilaza ny fietsempoko anatiko ao
Fa maizina ny tontoloko anaty
Izaho lay zaza fitia naka mamy ny anilanao no
Zary tokana tsy satry

Tokana tokoa raha ianao ry tiana
Tokana aman-tany tsy hatakaloko
Ka aleo aho anonofy tsy hifoha eto ampandrina
Raha izay no ahatamana anao ao ampoko ao
--------
Rohy:
109 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mandan'ny fo
Nampiditra : RwodyN
Daty : 16/09/2024 20:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135