You are here: home > Vetso

AZA MBA… - Matody

Azo vakiana?

Aza manao anao ho hendry
Fa sao vaosariky ny adala
Aza manamavo ny tinendry
Fa hanjary adala mipalapala

Aza dia manandran-tena
Na manambony tena
Fandrao voan’ny tazon-karena
Mndreraka,vao jerena

Aza miseho ho mahay tanàna
Rehefa very vao hienahena
Aza miseho ho mahay lalana
Sao ho lavon’ny vato an-tsisin-dalana

Aza mitompo teny fatratra
Sao hitotongana any anaty tatatra
Aza midera tena ho mahay
Ka ho resin’ny “indraindray”

Aza miseho ho mahalala
Fa sao ho very anaty ala
Aza mba be vava be
Fa hahazo tefaka anie e!

Aza miseho mahasahy
Ka hoe mijoro fa lehilahy
Tandremo sao azeran’ny singam-bolo
Izay vai hanenina impolo impolo

Ny tampoka hono tsy maha lehilahy
Asakasakareo izay miseho mahasahy
Ny tampoka kosa hono tsy maha lehilahy
Fisaintsainan’ny manam-panahy

Matody
(Maholy T.)

Mombamomba

Mpanoratra : Matody

Nampiditra : Matody
Daty : 17/01/2014
Mpamangy : 905
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Amin'izao fotoana izao
VERY HENA
TSY MITOVY
Fitiavan'ny tanora
VENTSON'NY MPANAO MOZIKA