VENTSON'NY MPANAO MOZIKA - Matody
Azo vakiana?
Kalokalon'ny mpanao mozika
Kalokalo rehefa vendredi magnifika
Kalokalo tsy misy mélodie
kalokalo tsotsotra tsy misy théorie
Entaentanin'ny aingam-panahy
Manoratra tsy ami'ny ahiahy
Soratra solon'ny fitendrena
Mahafaly ny fo vao jerena
Ventso solon'ny cabaret
Tsy haiko na ahoana ny clé sy tonalité
Fa soratra ho vakiana rehefa tsy natao ho re
Soratra gratuit tsy misy anzay billet
Mampiady rima no fialambolinay
Rehefa miady rima fotsiny dia izay
Na koa rehefa miteny dia poinsa
eny, fa ndraindray koa anie mba mi-coinsa
Soratra tsy asiana filirony
Fa mety rehefa ahitana tsirony
Tsy mila mieritreritra ela be
fa tonga dia lasa dia izay alehany aleha
Toy izany ny fanoratanay
aza ihomehazana ra tsy mahay
Fa inspiraka mantsy no be dia be
Fa ny fahaizana tena kely be
Mombamomba
Mpanoratra : Matody
Nampiditra : MatodyDaty : 16/01/2014
Mpamangy : 1165
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Amin'izao fotoana izaoVERY HENA
TSY MITOVY
AZA MBA…
Fitiavan'ny tanora