TSY MITOVY (Matody)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho tsy ho izy
Ary izy tsy ho izaho
Ny fisainako tsy ho takany
Ny takany tsy ho takatro

Ny halehany,tsy halehako
Ny fiainako,tsy fiainany
Azy ny azy
Ahy ny ahy

Ny lohako tsy lohany
Ny lohany tsy fantatro
Ary ny fantatro tsy takany
Tsy takatro ny fantany

Raha fotsy izy
Izaho mety ho mainty
Raha havia izy
Izaho kosa mety havanana

Raha mandroso izy
Izaho mety mihemotra
Mifanalavitra izahay
Ny eritreritra tsy hifandray

Ny ao an-dohany tsy ho haiko velively
Ny tiako ho fantarina tsy ho fantany
Ny tiany ho hay,tsy vitako vinany
Ny eritreriny,tsy any amin’izay ao am-bilany

Haka ny tenako
Hafa ny tenany
Hafa ny tehiko
Hafa ny taonany

Mijoro aho
Matory izy
Mandeha aho
Mijanona izy

Mihinana aho
Mandevona izy
Ny vavony no miasa
Ny azy efa miala sasatra

Tsy hataony mihitsy izay hataoko
Ary ny hataoko,tsy ho fantany akory
Izy mahafantatra ny hataony
Tsy mihevitra izay hataoko

Ho reraka eto foana aho hitanisa
Ajaranao no mamisavisa
Ny tsy fitoviana analin-kisa
Sy ny maro hafa tsy voatanisa

Tsy mitovy ny olom-belona
Misy maranitra,misy domelona
Mahay sobika,na koa fatam-bary
Mahay miompy saka, na koa mihaza kary

Ny adala tsy ho Hendry
Ny maray tsy hikarenjy
Ny sampona tsy ho ara-dalàna
Ny efa voafonja tsy ho vahàna

Samy manana ny lalany
Samy manana ny anjarany
Samy manana ny tiany
Samy manana ny iriany

Matody
(Maholy T.)
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - fiainana
1114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Matody
Nampiditra : Matody
Daty : 17/01/2014 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014