EFA AMPY (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA AMPY

Raha ho avy ny fotoana hamakianao ity,
Dia ho tsapanao mangina fa tsy izaho no voafitaka...
Efa ela izao no zakako.

Efa voaporofoko, sy efa nataonao tamiko,
Nipololotra lainga sy tsy azo nitokisana,
Efa ela ianao no fantatro!

Hatramin'ny androany, no notorotoroniko
ny marina rehetra izay ninianao nafenina,
Tsy nolazaiko anao...fa takatro!

Nanako hatraiza hatraiza, ny helokao ry olona iny,
...ny toetra nisaloranao hivelan'ilay sarontava,
F'efa hitako efa ela!

Nefa...nabaribariko, fa n'inona niseho,
Tsy tiako hadihadiana intsony, ampy ahy izay efa fantatro!
Ny foko efa tsy afa-bela!

Ianao indrindra no nitsapa, sy nisangisangy foana,
F'ampy nahalalako anao raha ny andronao teto,
Ary tiako ho fantatrao!

Fa efa tamin'ireny no nahalalako koa...
Tamin'ny resaka rehetra izay nifanaovantsika,
Fa tsy maintsy hiova ianao!

Satria ny andrompiainako tanilanao hatreto,
Dia nofenoinao hasambarana, sy loha te ho fehezina,
...Efa tsapako madio.

Vovoka, hody vovoka ny olona notiaviko,
Ary manana fitiavana sy fo te ho tezaina,
...ka raiso izao anio...

Tsy mbola nanenenako ny nisafidy anao,
F'efa ela no navelako izay rehetra fahadisoana,
Na dia saika tsy hifona aza...
Ka misaotra ihany!!!

23/08/2022-04/01/2023.
(17 : 35)
--------
Rohy:
366 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 04/01/2023 14:55
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153