INY VEHIVAVY INY 2.0 (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsia...

Tsy ho tonga lafatra nahoviana nahoviana iny vehivavy iny.
Feno fahatezerana sy ketoketo-po ny tontolom-piainan'iny
Tsy ho fantatr'iza n'iza intsony izay didiany tsy hipoitra,
Na mihoatra aza...tsy miandry fendrofendron'izan'iza hiara-hory ny ranomason'iny!

Satria...efa nianarany ny fomba hizogana ny hazo fijaliany
Hoe ahoana no fizaka fahadisoam-panantenana isaky ny saika hitsiky...hanantena fifaliana...
Sy fomba hamonoana sofina aman'eritreritra @ latsalatsam-piainana, fitia te hamoifo, sy fitaintainan-dava...
Tonga ho azy, tsy hay avy aiza...tsy fantatra mazava!!!
...fa dia iray ampaha-telon'ny isan'isan-tsotro izay tafiditra any ambava...

Heeee...nateliny miadana, nataony mangingina...
Tsy nisy nahalala...



22/03/2023 à 23h32
--------
Rohy:
550 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 31/03/2023 11:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181