INY VEHIVAVY INY 3.0 (Farany) (MAZ RAMANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty no indray mitoraka...
Inty no “Ampy Izay”

Tsy misy tonga lafatra, na tsy hiety fay,
Fa kosa...miavaka amin’ny toetrany eny ihany,
...sy ny famindrany amin’ny fiainany,
...ny lolo sy fanday!

Inty ilay ranomaso...ilay harotsako eto,
Ilay mariky ny adiko efa vita tany aloha!
Mba ho vavolombelon'ny Androm-pahareseko,
...Vato nandohalihan'ny tongotro ankiroa!

Tsy ho eritreretiko hampangotsoka ny saiko,
Ny mahita an’iny aloka eny antendrombohitra iny...
Satria efa adinoko,
...ary efa nofihiniko,
Ny lasako rehetra : niezaka nandrendrika ahy.

Tsy hanadino na rahovina ny heroky ny fahajambana
Fa Tsy hianatra intsony, hitrotro ratra vaovao
Na hifatotra ao anaty fahatsiarovam-pahabangana
Tsy ho fanafenana : ho porofo fa velona aho.

Tsy hitady intsony aho, fialantsasatra isan'andro!
na havesatry ny ngidin'ny fiainana poak'aty!
Tsy hangetaheta lava na handady filaminana...
Sy hisakaiza fatratra amin'ny rendrarendran-tany!

Tsy hanoratra intsony : Alahelo Lavareny,
Fa mba hampitraka indray : ireny malahelo ireny...

Tsy hinia hikimpy intsony!!!
Tsy mitsoaka intsony,
Tsy hangina intsony...
MISAFIDY ny hanohy.

Iny vehivavy iny...

31/03/2026
--------
Rohy:
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 15/04/2026 15:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134