HO ANAREO (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na rahoviana na rahoviana,
Mbola ho avy, eny hono,
Hoy ny feon'ny fo mitia!
Ilay valin-tonombavaka mangina,
...isaky ny mahatsiaro anao satria..

Lasa tampoka izy,
Tsy nanao veloma anao,
Resy ka...hanarak'onjam-piainana!
Izay fonja miandry azy any hono...
Aoka fa hefainy!
...raha izay no ahasambatra anao.

Ilay sarinao taty,
Tamin'izy ilay handeha,
Nentiny, hono, hataony fahatsiarovana!
...Iriany ho tsapanao ihany anefa...
Fa ho anao!Ho anareo,
...no hiadiany izao ady izao.

Mbola hiady mafy hono izy,
Sambatra izy raha,
...ny fitiavanao no entiny mandresy!
Ho sary indray mipika,
Tsiky farany entiny,
...mandao izao tontolo izao!

Na rahoviana na rahoviana,
Mbola ho avy, eny hono,
Hoy ny feon'ny fo mitia!
Ilay valin-tonombavaka mangina,
...isaky ny mahatsiaro anao satria...


Anjaramalala Ramanamanjato.
(tononkira efa misy feony)
en 2013
--------
Rohy:
465 0
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA ( 11/10/2022 11:24)
Saotra erampo foana @ikalamako !
ikalamako ( 29/10/2022 14:07)
mirary soa hatrany, namana a ! Misaotra amin'ireto kanto zarainao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 12/11/2021 09:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1203