You are here: home > Vetso

HOY NY ADALA - MAZ RAMANA

Mampalahelo,
Raha trano efa rava
...no dorana indray!

Saino daholo,
Ataovy izay mety,
...f'izaho tsy mahay!

Resy ny tena!
Ny teny nomena
...dia entiko ho ahy

Angamba tsy takatro,
Tsy ho fahazarako,
...ny anjaranao!

Taon'aloka maro,
Tsy nahavaly
...ny fanontaniana!

Ianao tsy nahalala,
Fa amin'ny Adala,
...dia mety ny ataony!

Maditra ny loha,
Ka raha feno ny fo,
...dia milaza ny vava!

Na malemy ny nofo,
Na maina ny mofo,
...dia izaho no diso!

Fa ny sain'i Malala,
Tsy mbola salama,
...tsy mahay miala tsiny!

K'izaho no hametra,
F'ianao tsy mahefa,
...na mafy na mora!

Angaha moa hita,
F'izay no mba vita eh!
Mahaiza mamela!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
20/07/2020 à 10h37 HM dans Asa soratra miverina.