MISY MBOLA MIADY MAFY (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa manopy maizina miha mangamanga ny any antokotany
Efa manerikerika manafosafo tava ny lanitra tomany.
Amin'ny enina hariva...
...fahavaratra...

Indreny misy mpiasa hody, f'ity izaho mbola miandry firavana amin'ny valo!
Tsemboka ny hatoko, mitsiriritra foana mahatazana mpandalo...
Vikiviky, sivasiva
...mihazakazaka...

Ny any antrano izay efa namono afo, hanomboka hisakafo
Efa mikotrokotroka somary akipakipaky ny rivotra ny tafo
Dia matahotra ny ankizy...
...tsy eo i Neny, tsy eo i Dada...

I dada kotsakotsa hanenjika fodiana, mbola mihita rano
Mazana koa ireo efa trotroin'ny torimaso, izay vao miditra ny trano
Mbola tsy manampidy
...Ny reniny malala...

Eeeh, impiry moa ny tena no naniry hiala sasatra sy tsy hanompo intsony?
Ho tian'ny ankohonana, tsy ho banga iray minitra hanalavitra ny fony?
Nefa...tsy manambola
...ka mbola mitady.

Impiry anefa izay ny fotoana tsy niasana, lanilany nandrinandry ?
Mba nanala vizana, nitsabo izay naratra, fa tsy nandry akory mantsy e!
Nanangonangon-drora...
...ho an'ny mafy mbola ho avy...

Fitaratry ny zavaboahary sy ny nofo rehetra mivelona amin'ny tany...
...ianao ra-zanak'olombelona...
Misy mahay mibaiko sy mamolavola hatram'ny rivotra izay fohana sy hanina hatelina.
...fa misy mbola miady mafy.

06/02/2021 // 15h49.
--------
Rohy:
586 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 19/04/2021 06:05
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127