VOADY VAOVAO (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio,

Anio dia miverina ho tiako noho ianao...
...ny taratasy sy ny penina
Niverina satria, fantatro sy tsapako...
...ny soratra mamatotra ny tongotra aman-tanako...
...tsy ho afaka aminao!

Dia izao no voatsikaritro :
Namerina aho namaky ireo soratro tavela,
...nitampify ampo ianao, saingy takona...
...efa ela...vao niverina ny saiko...

Fa ireo tononkaloko sy hirako taloha.
Navadiko imbetsaka, ambany sy ambony :
Hay niantefa taminao, nefa tsy niniako akory...
...sady tsy mba fantatrao!

Handray iky ity ianao, tsy nanome tsiny...
...na dia saika tsy tadidiko!
Nanehoako hadalana sy holatry ny ditrako,
Ontsa ahy sady tsinjoko tsy niova, tsy nampoiziko...
...ilay tena tia ahy fahiny!

Kanefa aza hitako...
...ny hilanjanao sahady ny hazo fijaliako!
Ry voninkazokely hamelana ampitso,
Etsy ho tantanako!

Ka aza dia tsaroana re ny nanoseko anao!
Inty aho hanonitra ny
zavatra tsy vitako :
Adidiko aminao!

Hosoratako anio ity ho voady vaovao :
...hamafako ilay tsy nety, ka nanimbako anao!
Ny fonao madio, tsy ho ratraiko fanindroany.

Ka ao aoriana kely ao,
...misy raozy vao mamony, haira-dalana aminao!
Mandehana sombin'aiko...aza miandry ahy intsony!
F'izy no anjaranao!



Anjaramalala RAMANAMANJATO
17/02/2018 à 02H 18 HM
--------
Rohy:
580 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 13/04/2021 10:48
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151