Ny lamba (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Et elles se seront enveloppées avec tant d’art dans ce vêtement simple, elles auront si bien colle ces mille plis a leurs formes naturellement élégantes qu’on croira voir un défile de vivantes Tanagriennes.
Certes pour la grâce, le lamba vaut bien le peplos, surtout avec la façon dont les femmes Houves savent le porter, et ce serait un malheur artistique si jamais elles s’avisaient de renoncer a cet élément essentiel du costume national. Le jour ou elles lui substitueraient la confection européenne, c’est que leur goût serait devenu aussi dépravé que leurs moeurs. »(Chez les Houves de Jean CAROL)

NY LAMBA

Ny endrika sy bika ianao manana,kinanjo
Misy indro kely,fa tsy tsapanao angamba
F'izay olo-mandroso,dia mitena ankanjo
Ka lasa mahamenatra anao ny mitafy lamba

Indrisy fa rehefa tena atao ny fampitaha
Dia very amiko ...ny atsimo sy ny avaratra.
'Zato ianao ry bavy toa zary lasa vazaha
Na fiteny na fitafy,ny azy ireny no voasandratra.

Efa veloma lava koa irony tana ivoho
Miedinedina fiteny toy ny zana-baratra
Ny volo asarako,nohalavaina koa ny hoho
Ny androantokon'andro eo anoloan'ny fitaratra.

"Tenue correcte" hono rehefa milanonana
Dia indro Iarivo fa manadino ny fahiny
Na an-tsena,na an-tanàna,na any ampiangonana
Tsy tanora,tsy antitra,ny labany no ariany.

Tsy hanao teny maro aho, sao voan'ny daka
Tsy tia fandrosoana fa toa basibasivava
Koa maninona hono aho no tsy manao salaka?
Indrisy valy boraingina no asetry ahy lalandava.

Merinaforever
--------
Rohy:
2268 0
Hevitra mandeha
NyKanto ( 25/03/2005 13:16)
I Rado koa efa nanoratra tononkalo mirazotra amin'ny nosoratanao ity.
Tohanako ny hevitra entiny sy raiketiny.
Raha ny hevitro manokana dia tsy ho very velively ny lamba malagasy, ny fampiasana azy angamba sy ny fisalorana azy no tsy toy ny tany aloha intsony (nentina isan'andro taloha), amin'izao fotoana izao, isaky ny fotoan-dehibe dia miverina mitafy lamba ny vehivavy malagasy, ny tsy fisalorana azy mahalana dia vao mainaka koa manpme lanja azy, sy maneho ny tena toerany ... Asa? mety ho diso ve ny fijeriko.
Ny Kanto
rabona ( 25/03/2005 15:28)
diso ianao fa ny lamba tsy h adinon'ny vehivavy malagasy izany
mandehana any ambanivohitry Iarivo fa hahita vehivavy mandeha mamonjy la mesa ianao izay mitafy lamba , ary tandremo ny mandika be fahatany ny tononkalon'ny manan-talenta toy I Rado , ito tononkalonao ito mantsy araky ny filazan'NYKanto dia hevitry Rado novaina kely fotsiny ,mahereza
Merinaforever ( 27/03/2005 21:55)
Misaotra an'i NyKanto
Raha azonao atao ny manondro amiko ilay kalon'i Rado,dia isaorana mialoha.
Raha ilay fijerinao ilay hevitra dia tsy voatery hisy mahadiso azy akory,fa araka ny mahatononkalo azy ihany koa dia karazana vikin'alina ihany koa ka aleo diso lasa loatra toy izay latsaka an-kady.Tsara loatra noho izany raha tsy very ny fitafy izay mampiavaka ny antsika.Amiko,dia tena tsapako fa "mihanjaka" mihitsy ny vehivavy tsy mitafy lamba.Fomba fijery mihitatra ihany izany,fa ny zava-dehibe dia ny lanjany izay mbola mitoetra ao amin'ny Vehivavy araka ny voalazanao.Indrisy fa ny zokiolona ihany no misalotra azy matetika.Dia mazotoa ary mamerina ny fisaorana.
Merinaforever
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147