Vavaka (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Ampio re ry Zanahary
'Ty Fireneko tsy ho very
Tahionao tsy harary
Omeo aina,omeo hery

Ianao irery no Andriamanitra
Nasolonay itony sampy
Eto an-tany sy any an-danitra
Ianao irery dia efa ampy.

Tsofy rano re ny Merina
Ho finaritra doria
Ho lavitra mpanelingelina
Sy hahay mifankatia.

Alaviro ny mosary
Ataovy lonaka ny tany
Ka ho vokatra ny vary
Tsy ho foana ny vilàny.

Merinaforever
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1919 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
rabona ( 25/03/2005 15:23)
manalabaraka ny merina mihitsy ny fitondratenanao eto ry merinaforever,rehefa mivavaka dia ho an'ny madagasikara iray manontolo no hivavahana fa tsy ho an'ny merina irery ,tsoriko aminao fa ny merina dia olona mivavaka sy diplomaty ary tsy miteniteny foana toa anao io , mbola tsy tena merina ianao raha toe-tsaina , mahereza .
Merinaforever ( 30/03/2005 22:22)
manalabaraka ny Madagasikara mihitsy ny fitondratenanao eto ry rabona,rehefa mivavaka dia ho an'ny Afrikanna iray manontolo no hivavahana fa tsy ho an'ny Madagasikara irery ,tsoriko aminao fa ny Malagasy dia olona mivavaka sy diplomaty ary tsy miteniteny foana toa anao io , mbola tsy tena Malagasy ianao raha toe-tsaina , mahereza .
rabona ( 01/04/2005 19:51)
tsy voatery hamerina sy handika ny hevitro ankory ianao andriamatoa , ary tsarovy fa ny tononkalo toy itony tsy lasa lavitra satria mampiseho ny tsy fahaizan'ny mpanoratra sy ny tsy fahatakarany lavitra ary manambany ireo manana talenta i Andrianampoinimerina nihezaka hampitambatra an'ny madagasikara izany no hatao hoe olona manantsaina fa tsy olona toanao io mitady hampisaraka ny foko eto Madagasikara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0634