Ny maha kristianina (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MAHA KRISTIANINA

Tandremo ihany leiretsy ny maha kristianna
Fa raha tsy mailo amin’io ‘sika dia ho fanina
Lazaina fahotana ny fiharian-karena
Fanompoan-tsampy ny maha olom-pirenena

Mailaka ery na maopera na mpitandrina
Mampianatra antsika mba hitadidy an-kandrina
F’izay rehetra tsy araky ny baiboly
Dia vokatry ny nofo sy asan’ny devoly

Raisontsika ohatra eto ny resa-pirazanana
Ny mpahary antsika dia nanao ny karazana
Ianao miseho ho mpino, manao izay tsy hampisy
Ka mandrisika aok’izany ny fanaovana metisy

Ohatra koa izao ireny fomban-drazana
Tsy tokony haisotra amin’ny fanabeazana
Azo atao izay mety ahafahana mandrindra
Ny tantara sy finoana hiaraka mamindra.

Nahoana koa moa ,raha ny litorjy
Ampiarahana amin’ny hain-teny sy dihy
Soson-kevitra ihany iny ka dia ambara
F’isika mianakavy no hahita izay tsara.

Mbola eo koa ny valiha sy ny amponga
Hiderana ny Mesia izay andrasana ho tonga
Tsy lazaina intsony ny ranjan-kabary
Ho enti-midera,mankalaza ny Nahary.

Satria tsy ny finoana no tsy milay
Fa ny fanjanahan-tsaina no tena mavay
Lazaina tsy an-kiato ,ny farandro tsy ho ela
Ny an’ny hafa lolohavina,ny an’ny tena avela

Izany no anton-javatra tena mampialona
Aza gaga loatra raha nitroatra Ranavalona
Ny hany mba natao dia fitsarana sy taraina
Fa lavitra ny tena izay mba ho tonga saina

Ka ny finoana ve, azo omem-boninahitra ?
Sa halam-baraka toy ny zezika any am-pahitra ?
Kendreo ary izy tsy hatao fanangolena
Ka hanamaivanana ny fiainam-pirenena

Merinaforever
--------
Rohy:
2191 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
proost ( 15/04/2005 07:25)
tena resy lahatra amin'ny hakanton'ny sanganasanao aho
vitsy ny manana talenta kanto
loatra toy ny anao
lianah ( 29/04/2005 10:11)
Marina ny anao.Ilay anarana hoe Kristiana toa tsy tokony salorana fotsiny fa mba tokony tena ho hita marina eo @ fianana e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115