You are here: home > Vetso

NOFIKO HONO (Mitohy) - lifanir

Nofiko hono indray alina, andro vitsy lasa izay
nisy toerana tsy fantatro nahitako anao indray
Singan-drery toa variana teo an-tsisin'ny kamory
lasan'embona aok'izany tsy nahatazan'Ahy akory

    Izaho tsy sahy nanabataba fa nandinika nijery
    Namonjy takotakona aza ka nisitrika niery
    Nanara-maso teny ho eny fa toa tsy sahy niseho
    namantatra mangina izay mba nahatonga anao teo

Dia indro ianao fa tazako nioty voninkazo iray
Avy eo dia naka toerana malalaka teo an-tsisin-drano iray
nolalaovinao ny felany, nopotehinao ny vony
ny maha-voninkazo azy toa tsy fantatra intsony

     Avy eo dia natsipinao teo ambony alon-drano
     Ny  masonao mijery toa tazako manganohano
     Hita soritra avy hatrany tamin'ny endrikao ry tiana
     ny adin-tsaina amam-panahy vokatry ny hakiviana

Dia niondrika ianao toa tena latsaka tomany
izaho nitsinjo teny ho eny aza, mba oriory aok'izany
dia namoaka sento lalina, toa namohafoha tsiahy
Fa maninona ary ianao, fa dia nahoana loatra lahy ?

   Tampoka, tafatsangana ianao tena vonona ny hanainga
   ndeha hamonjy ilay tanàna any ambadiky ny bainga
   Teo aho vao tapa-kevitra ka niantso anao hiverina
   nanonona ny anaranao, nanontany  hoe : Aterina ?!

Dia nitodika ianao, tsy nahafantatra ka nianjona
Raha vao nahita ahy anefa dia gagagaga sy talanjona
Segondra vitsy monja, niova ho azy teo ilay endrika
Tsiky no navalinao sady tsiky tena mendrika

  Gaga ianao ka ny anarako no voatonona tsy nahy
   tsy nisalasala akory, tamy ndeha hanatona ahy
   Dia niontana ny foko raha vao nandre ilay feo
   indrisy, taitra aho  ka 'ty tafarina, nefa inona no teo !

Hay nofinofy ihany, nofy mamy sady fohy
Tena tiako raha miverina, tena tiako raha mitohy
Saingy indrisy tsy nimpody, ny torimaso koa tsy tamy
hany hery nitakoko nandinika ilay nofy mamy

   Eto an-tranobongokeliko, etý ambanivohitray
   no hamerenako tsiahy izay lasa rehetra izay
   eto anivon'ny alin-tony feno kintana tomaratra
   no mitraho ny ranomasoko toy ny ranon'orambaratra

Eto am-baravarakely aho no mitazana any ho any
mamisavisa izay ho diavina sy mandefa ny vinany
maka sary an-tsaina irery, malahelo oriory
ka na  misasak'alina aza mbola tsy mahita tory

   Ataoko sorona ho anao ny torimasoko androany
   ka ny eritreritro rehetra no alefako mankany
   hamoha anao eo am-pandriana toy ny mifanatri-tava
   hilazako ny alahelo sy ny sento tsy misava

Fa ilay fitia izay nokoloiko, vao nitsiry dia voarosa
ny fikasana nandrandraiko tena rava tsy tontosa
Fahoriana tsy hita lany no misoritr'eny an-tavako
Asanao ry fandaharana, mosarena ny Fitiavako !

   Hasambarana voafetra, eny toa fitia voarara
   Izay no lahatra ho antsika, izany ve no hoe Anjara?
   Hatraiza anefa moa izany, ary koa mba rahoviana
   no mba ho tony ato anatiko ilay fitiavan-tsy mangina

Tamin'iny lalana iny, hira ihany mantsy izany
nahitako fahoriana tany am-piandohana tany
mbola tafaverina eto, tamin'iny lalana iny
ianao no malala, aiza izany ankehitriny ?

                                    Satriko aza ianao raha miantso hoe : avia
                               Satria ny Foko lasanao dia  tena mbola tia
                       satriko aza izany na dia izao anio izao
                 Fa ny foko tsy mitony tena mbola tia Anao

Indrisy anefa fa ny olana toa tena sarotsarotra vahana
toa tsy hita izay hizorana, toa tsy hita izay hombana
Fa ilay noheveriko ho fanilo toa zary haizim-pito sosona
ilay masoandro nantenaiko feno raho-mitakosona

            Nefa, inona ny vokatra mety azo ho antenaina?
            Rehefa tonga ny mazava, ho vimbinin'ny maraina
            Inoako etoana anefa fa mbola hisy ny mazava
            Fa Ilay Zanahary ao ambony no antsoiko lalandava.

Hisaraka eto aloha isika, tsy hay izay mbola hihaonana
Io fitiavantsika io, ampiakanjoy fisaonana
Ireny sarintsika ireny sy ny andro sarobidiny
ampirimo tsy ho tazana fandrao mandratra Fo tsy fidiny

            Ny zavatrao atý amiko, tsy ho very sanatria
              fa aoka aloha mba hindramiko hanomanako ny dia
                 Lalan-davitra tsy fantatro mantsy no ho diaviko atsy ho atsy
                     ka manahy ny mangirana aho fandrao ho lany vatsy

Rehefa tody soa aman-tsara aho manoratra ho anao
Mandefa ny adiresiko any... sy milaza vaovao
Ity tononkalo ity tandremo tsara tsy ho very
Fa avalony dia ampirino, aza dia atao tsianjery

   Fahatsiarovana tsy veriko ilay sora-tananao
   Ataoko raki-tsarobidy izay voasoratrao ao
   Koa aza kivy anefa fa any volana, any taona
   Mivavaha ho ahy fa tsy maintsy mbola hihaona.

                Andro maloka izao no eo amin'ny fiainantsika
                Tsy ahitana hafanana, fa mamanala mangatsiaka
                Aiza anefa no ahitana fanàfana mahery vaika
                Fa izany no iriko, izany koa no ilaiko maika

Soa fa nisy tsiky farany izay navelanao ho anjarako
Hampahery ny fanahiko, hanatsara ny tantarako
Soa fa nisy Zanahary mbola azoko itokiana
Hanasitrana ny ratra nampitondra fahoriana.

    Asa lahy raha mba ho tratrako ilay andro nanafarana
    Fa hiezaka ihany aho aloha raha azo anoharana
    Aza omena tsiny fa izao no fandaharana
    Fa mirary anao ho soa sy hahita fahasambarana

                   Eny soava dia ianao, tsofin-drano mahereza
               Fa hanampy anao am-bavaka aho eny an-dalana mideza
         Raha sendra manimanina Ahy tonony mora ny anarako
Fa izaho aty hivetso irery miaraka amin'ny Gitarako.

             Farany, etsy kely mitsikia, mahereza matokia
             Atanjaho ny eritreritra fa mbola lavitra ny dia
            hamorony lohateny io adirimakeliko io
            hanoratako amim-pitiavana, atolotro amin'ny Fo madio.
                              
                                                                                                                                        

                                                                                                                                                       lifanir@yahoo.fr
    







Hevitra mandeha

hery (22/05/2015 14:49:25)

Indroa miverina ny teny hoe voarosa nefa tena tsy haiko ny dikany. Azonao hazavaina?

lifanir (24/05/2015 19:40:21)

Ialana tsiny fa tsy i Meva no mpanoratra fa ilay nampiditra, misaotra tompoko.

hery (24/05/2015 22:04:10)

Tsy i MEVA no mpanoratra? Ary azonao ovaina ilay izy izany. Raha efa mpanoratra ianao dia ovay fotsiny ny mpanoratra. Raha tsy izany dia mampidira mpanoratra aloha dia ampidiro ao ianao.

hasina poeta (02/12/2015 06:04:45)

ny hoe voarosa dia sarin_teny entina ilazana zavatra rava na tsy tanteraka na sy ny sisa eh

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : lifanir

Nampiditra : lifanir
Daty : 22/05/2015
Mpamangy : 2056
Mankafy : 1