RAHA..... (mi-antsa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka sanatria tsy ho eo anilako intsony
No voalahatra fa tena hahasambatra ny fony
Tsy maninona tsy akory,tsy maninona zakaiko
Fa ny hahasambatra azy no tsy maintsy tontosaiko

Ho inoko ny hafaliana raha toa ny olon-tiako
Ka tsy mahatsapa intsony ny filàna ny fisiako?
Fitiavan-tena tafahoatra,fisomparana ny diany
Ny fihazonako azy ho ahy,tsy hanoa ny faniriany

Ny atao hoe tia mantsy,raha tany koa ny tany
Dia manao izay hisondrotany;hiadanany hatrany
Ny hasambarana ho ahy dia manolotra fitia
Aleoko tia fa tsy tiana;noho ny tiana fa tsy tia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1068 1
Mpakafy: mi-antsa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mi-antsa
Nampiditra : mi-antsa
Daty : 04/03/2016 07:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134