Tompo o! (mi-antsa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampianaro aho hahay
hanaiky izay voalahatrao
ka hijoro tsy hanahy
n'inona hodiaviko ao

Ampio aho mba hahazaka
ny anjarako voatendry
hankato tsy hiambakavaka
hanao fanaikin'olon-kendry

Ny zepizepim-pahoriana
aza avela hanafotra ahy
fa fenoy fahatokiana
ny foko,saiko sy fanahy
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1103 2
Mpakafy: sitraka16 - mi-antsa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mi-antsa
Nampiditra : mi-antsa
Daty : 04/03/2016 07:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017