Ao am-poko lalina ao (Miantsa Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao am-poko lalina ao
Mitrotra mafy tsy hay tohaina
Asa angaha raha fantatrao ?
Hoe maninona aho no very saina

Satria ianao raha vao miserana
Toa tselatr'afo re no tsapako
Mety amgaha fitia namelana
No ato am-poko ,taitra anao

Satriko aza enao foana
no hiara-dalana amiko eny
ka tsy hisy ny fotoana
tsy ho eo anilanao ,ka very

K'aza avelanao ho irery
ity izaho zay tena tia
fa ataovy indray mijery
ny fihetsiko amin-dry

Asa re raha tsapanao
ireo voalaza rehetra ireo sa diso ve izaho
raha tsy milaza amim-peo hoe tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1084 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Miantsa Fitia
Nampiditra : Condor
Daty : 27/04/2008 16:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159