Miserana ihany (Miantsa Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ny hankanton'ny raozy mamony
sy ny fofony manitra zay mampitony
fa toy ny tsy ho lo manadrakizay
kinanjo nilofika mora dia izay

Jereo ny hankanton'ny lanitra ambony
miadana ery izy fa hoe eny ambony
kanefa seranan'ilay raho-mainty
de rava ilay endriny soa sy mirenty

Jereo ny hanakanton'ny vorona an'ala
mihira mifaly fa toa tsy mahalala
lay oram-baventy ,mikija,manimba
ity ankaniny zay tsara rindra

mba topazo maso ny rano an'ony
misoka miadana tony de tony
kanefa raha sendra ny hantsana lalina
midaboka mafy sy toa fanimpanina

tazano ny ankanin'idada fahiny
tsara aok'izany ny nanaovany an'iny
ankehitriny de rindrina sisa
haolo de haolo tsy misy mpandika

Diniho ireto olona mandeha mankany
mihira,mifaly de hoe sambatra izany
kanefa raha tonga izay hiafarany
ny hany anjarany de fasana ihany

Koa ry olo-mandalo re mba tsinjovy
ny fiaianana an-koatra re mba tsilovy
f'aza variana @eto an-tany
zay toy ny tselatra miserana ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
997 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 29/04/2008 21:34)
Kanto dia kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Miantsa Fitia
Nampiditra : Condor
Daty : 27/04/2008 16:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131