Na dia izany aza (Miantsa Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na maro aza ireo niserana
na nisy aza ireo niarahana
asa re fa tsy haiko ferana
ny foko mila anao ho namana

Na nisy aza ireo mpisompatra
na maro aza ireo tsy tia
ny faneva no hasondrotra
isika roa tsy hisara-dia

Na teo aza ny fianarana
izay tsy hitovizantsika roa
dia tsy tokony ho sakana
hampizarazara ny ao an-doha

Na misy aza toetra ratsy
mitoetra ao anatiko ao
dia horeseko ny adiady
zay mahatonga anao ho lao

Na mafy aza ny onjam-piaianana
ka mila ho rendrika ny dia
eo ianao hitarainana
mizara feno ilay fitia

Ka n'inona2 hitranga
n'inona hanjo
matoky aho fa tsy ho rava
ny fitiavantsika roa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1212 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Miantsa Fitia
Nampiditra : Condor
Daty : 27/04/2008 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135