ANDRO FAMPAKARANA (Mihaja Harilanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niakatra ny lapa tamin'izay andro izay
Andro nanamarika ny fiainako rehetra
Fa tonga ny fotoana nanamasinan'ny Ray
Tantara tsy adino fa voarakitra mitoetra

Tao anaty vavaka sy fo torotoro
No nandraisana ny hosotra
Rakotra hafaliana tamin'ny fo manontolo
Fa vita fanekena sady tsara fototra

Mbola tadidiko eto...
Fa vonton-dranomaso raha nanolotra ny peratra
Tomanim-pifaliana tao anaty sentoseto
Nifamihina avy eo fa antsika moa ny sehatra
Dia nifaly sy niravo...

Isaorana ny avo fa feno fahasoavana
Henika tso-drano sy teny fikasana
Dia averiko eto anio r'ilay tokana notiavina
Fa tiako loatra ianao ho fenoiko fanajana
Mandrakizay...

Mpanoratra : Mihaja Harilanto
"Ny aiko manoratra, ny tononkalo no aingam-panahiko"
--------
Rohy:
19 1
Mpakafy: Mihajaharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mihaja Harilanto
Nampiditra : Mihajaharilanto
Daty : 31/10/2026 09:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.058