You are here: home > Vetso

Lalam-piainana - mimisou

Azo vakiana?

Lalam-piainana andalovana
ny fahazazana
Lalam-piainana hotsarovana
ny hatanorana
Samy mamy, samy soa
Samy ahitam-boka-tsoa
Rehefa atao amim-pahendrena
Sy manaiky hofefena

Fa raha ny zaza no manda
Tsy manaiky izay ambara
Dia hanjary hampiahiahy
Sy lazaina ho zaza adala

Raha tanora ihany koa
No milaza ho mato-tsaina
Sy miseho ho mafy loha
Fa hoe efa tonga saina
Nefa anie mba tadidio
Ry tanora izay lalaina
Fa io fiainana io
Tsy vitan\'ny hoe mato-tsaina




Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mimisou

Nampiditra : mimisou
Daty : 16/12/2006
Mpamangy : 767
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsiaro
rehefa tia