You are here: home > Vetso

Tsiaro - mimisou

Telo taona lasa izay no nisarahantsika roa
Fa hatramin'zay ka hatramini'izao dia mbola tsy afaka ato an-doha
Tsy hoe tsy manan'olon-tiana
Fa mbola hafa ilay nofidina
Efa efa voarara tsy azo atao
Vao may miredareda ao am-poko ao
Ny fitiavako anao tsy ambara roa
Fa ahy dia ahy irery tokoa
Tsy filaza na amin'iza na amin'iza
Fa nofisiko irery mangina

Toa manitikitika nefa tsy hita hoandrandraina
Toa mampatsiahy nefa tsy hita hoantenaina
Fitia efa tsy anjara no irina ho azo
Fitiavan-jaza no tiana mba tsy halazo.

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : mimisou

Nampiditra : mimisou
Daty : 25/04/2007
Mpamangy : 739
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Lalam-piainana
rehefa tia

Hevitra mandeha

Poun (02/07/2007 13:23:40)

Mahafinaritra!Mampatsiaro ahy ny fianako amizao ianao.fa ny maha samy hafa kely azy fotsiny dia izaho mbola miandry

Hametraka hevitra

Midira aloha