You are here: home > Vetso

rehefa tia - mimisou

Azo vakiana?

Izato masonao mibanjina ny masoko
Toa nihiratra teo izato masoandroko
Tsy tsapako akory izany ety an-tany
Fa efa eo ianao hamafa ny tomany.

Mety tsy ho tsapanao ny fifaliam-poko
Raha vao mahita anao misinda ny toloko
Raha lavitra anao manjombona hatreo
Ilay hazavana anilanao teo

Tiako loatra ianao
Tsy azoko hoferana
Raha ho mbola tia anao
Na koa hiova ho fitserana
Izato foko tia hanjary hankahala
Tsy azoko hosainina izany ry malala

Mimisou

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

njaf (12/12/2006 05:59:51)

izany ka fitia
fitia tsy azo tanana
fitia miredareda
fitia maniry ho tanana

mahafinaritra e

Aino (12/12/2006 20:54:04)

misaotra fa mafinaritra be le izy!!

mimisou (13/12/2006 07:00:07)

Misaotra manohana e

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mimisou

Nampiditra : mimisou
Daty : 11/12/2006
Mpamangy : 686
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsiaro
Lalam-piainana