Fianarana (Misa Randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampiady ny saiko
Mila tsy ho arako
Izato enao ry fianarana
Zary tsy hisy fitsaharana
Nahitako mangidy
Ny fahombiazana nihidy
Tanoloako taona maro lasa zay
Tsaroako mbola mahamay
Mila ezaka ny hoe mianatra
Satria hendry ny razana nananatra
Fa lova sarobidy tsy manampaharoa
Irariana ny tsirairay ho tafita soa
Mbola mitohy ny tantara
Ary Mety tsy hiafara
Raha tsy any andro ray
Hamiratra ny andronay
Tsy vitako samirery
Ka ilaiko ny fahefan'iTompo
Handroborobo sy hiantefa
Ato an tsaina sy ato am-po
--------
Rohy:
1198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Misa Randria
Nampiditra : nyainnah
Daty : 11/07/2005 15:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094