HATREO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatreto aloha ny foko, tokana safidy
dia ho an’ilay notiaviko fony mbola tsy hary
ny sentosento lava sy ny fiainana mangidy
dia ilay endrikao no fanafody raha marary

Fa no sedraina ny mangina sy ny fo tsy mitempo
ilay fitiavana mitsiry nameno izany fo
fa hiran’alahelo sy fo misentosento
no tontolon’ny fiainako, tsy nahita izay mba SOA

Fa mbola iza indray no hotiaviko noho ianao
r’ilay nantenaiko hitantana ny ho aviko
fa jambena ho’aho ny masoko tsy mahalala vao
tojo ny endrikao ry tokana sy mamiko

Ka hatreto aloha ny foko natokako ho anao
ny ampitso izay hinoako fa ho avim-pahasambarana
Ry malala tokana, ry lalaiko lasanao
dia ny ho aviko rehetra, anao tsy hamaharana
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
989 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 12/08/2010 12:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151