IZAHO IRERY SISA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho irery sisa akia, no mikalo ireo hira fihiranao
Miezaka mihira miangola, saingy indrisy ranomaso
No gadon’ilay hira nankafizina, nandrotsirotsy anao
Teo an-tratrako nihanoka, tsy nahalala hoe andraso

Fa kanto akia iny hira iny, hiangolan’ny feonao
Nampangovitra fanahy, nampiakatra ny ventso
Saingy izaho irery sisa akia, no miezaka manao
‘lay feonao lalaiko, nanidinako tsy ho eto.

Fa na ny toniny aza, ilay tsy afaka am-bavako
Ilay fanonoko rehefa, eny an-tanin’ny nofy
Tsy tsaroako intsony, lasanao re rahavako
‘lay an-dalana kanto indrindra, firahana mitosy.

Dia izao irery sisa re, r’ilay any notiaviko
No miventso ilay hiranao, noforonin-tsika
Nefa efa trotraka, saingy hitanondrika ho laviko
Ho hafanaiko ny ho avy, tsy avelako hangatsiaka
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
1460 1
Mpakafy: Rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 23/08/2010 18:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143