You are here: home > Vetso

MITRAKA - MiséVonjy

Azo vakiana?


Isan’andro ianao mitolona, miady lava amin’ny fiainana
Te-hitovy aman’olona ka mampitatra ny fisainana
Mahatsapa fa ny ezaka sy ny hery nolaniana
Toa vao maika mampitofezaka ‘ty vatana kely notsitsiana

Dia lasa ny fisainana mitady ny omen-tsiny
Fa ny vavaka sy taraina tsy misy valiny mangina
Saingy izao no tsarovy fa ny sedra sy ny ady
Na dia zara tsy mitovy dia nomena ho angady

Hisorohana ny sakana, handevenana hakiviana
hampitsiry ireo fakan’ny fanantenana izay nariana
ka tsarovy lalandava fa na irery aza ianao
Ilay Tompo hampisava ny aizim-pito mitatao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 09/09/2010
Mpamangy : 1143
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA