You are here: home > Vetso

RAHOVIANA ? - MiséVonjy

Azo vakiana?

Mitapikitra, mikiry mankamamy ny eto an-tany
Ra olombelona ka mikipy falifaly aok’izany
Ka raha tojo sedra dia mikiaka Ray o ! ampio
Fa tsy zakako ny onja, mahery mafy ny tadio.

Mihevitra mihintsy fa eto an-tany paradisa
Dia milanona tokoa, tsy mitsinjo ny ampitso
Tojo olana nefa indro, Ray ho aiza Ianao
Nahoana no avela fa mijaly ‘ty zanakao ?

Raha mba mibaliaka ny andro, korana kalokalo
Ka ny anio dia anio ihany, ny ampitso ve tsy handalo.
Tsarovy anefa, fa mety ho raho-mainty no hitatao
Izay ve vao hiantso: Ray o ! nahoana no avelanao !

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 12/07/2011
Mpamangy : 1030
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA