SAINA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa adala hoa ny saina, tsy mba mahatombo-tsiraka
Fa na rivotra mandalo, eny hatramin’ny bozaka
Hanehoany lalandava sary, olona iray nofinidiny
Tsy lasan-davitra mitoetra, mbola ao foana tadidiny.

Ny volana baliaka an-danitra avo, maneho fenomanana
Lokolokoiny ho sary, endrikao tsisy mpanana
No indro havoitrany anoloako, ho tsapai-tànana
Hampitony samboaravoara, r’ilay nekeko ho namana

Ito ravina misidina, sara-taho enti-drivotra malaina
Dia ‘lay lambanao mihintsy, notsiriritiko halaina
Saingy ny rivotra nitsoka, nitondra azy lavitra
Ny tànako nitsotra, nisarika finaritra

Fa adala hoa ny saina, tsy hampoizina akory
Mandefa sentosento, indraindray tena mahaory
Rehefa tokana iny aho, ka lasalasam-borona
Dia hatodiny hahatsiaro, ilay fitiavana natao sorona.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 21/08/2010 16:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147