TSY AMBARAKO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay foko nitomany, nitady ilay silany
niefonefona fidoboka, marary tsy anilany
koboniko ihany, hafeniko na tsy zakako…
ny sentony….

TSY AMBARAKO

Ny alina mangina, ilay fanaingako nofy
fitsonjovako anao, indro mitondra rofy
mampivadika am-pandriana, eny tsy zakako
ny akom-pitiavana tsisy…..

TSY AMBARAKO

Ito ondako, vonton-dranomaso mikoriana
fihiniko malefaka, sao ny ventsoko hangina
sy hitony fa mafaitra, ny alahelo tsy zakako
ny torimaso lasa….

TSY AMBARAKO

Ny foko mitomany, ny alina mangina
ny ventsony mankany, ny ranomasoko mikoriana
ny alahelo ilay tiana, eny mafaitra tsy zakako
ho koboniko, hafeniko ….

TSY AMBARAKO
R’ilay Malalako
Fa anjarako
Ka ho tazomiko Rahavako
--------
Rohy:
1217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 07/01/2011 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105