Ilay tovovavy Misitery (Mysento)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tovovavy MisiteryHo sahinao va reh,
ny handratra ity foko
'zay manjohy ,mitady anao
anaty ny alina toloko
Niezaka aho ny hamatatra
ny tena momba anao!
saingy tsy izany aloha
ny mahamaika ahy izao!
fa ny handre ny feonao,
sy 'lay tsiky hafakely
manangoly ny fanahiko!
Ireny sangisangintsika,an-tsoratsoratra ireny
dia ho sanatria va reh,ho rombahinao irery!
ny foko,ny foko,midobodoboka tsy miato
mila anao handray,tena feno ilay fitia,
Izay natosako ho anao irery
'ry 'lay tovovavy misitery
vonjeo moa,fa tena mitalaho,
aiza ilaozanao reh aho,
fa mbola mamy be miitsy ilay fitia
indrisy!ny alahelo mivangongo
ny masoko efa bongo,
tsy sahiko nakipy,ndrao
mba hoavy ianao!
hamonjy 'lay fotoanantsika!!!!!
--------
Rohy:
Sokajy :
Namana - Ahiahy - Fiononana - fanantenana - embona - Fisarahana - Alahelo - Aingam-panahy - fiainana - Fitiavana
Hevitra mandeha

iaboba
(
28/07/2009 12:33)
TSARA LE IZY E

endrika01
(
29/07/2009 17:42)
Tena mba mi-souffrir kosa lery e ;-)

iaboba
(
30/07/2009 11:46)
ka zay no mahatonga azy oe MYSENTO hi hi hi

endrika01
(
31/07/2009 07:47)
Mba mijaly kosa enao ry tovolahy Mistery!

Mysento
(
01/08/2009 05:47)
ratrainao ny foko,

endrika01
(
02/08/2009 09:29)
Raha mampijaly anao ny fifanojona
taminy,hadino izany,mbola lavitra ny lalana.
taminy,hadino izany,mbola lavitra ny lalana.

endrika01
(
02/08/2009 11:59)
hadino izany, etsy ambony >>>>>hadinoy izany!

Mysento
(
02/08/2009 13:21)
atao,ahoana ;ny hanadino.

Crionlas
(
03/08/2009 14:28)
So d vaza mod miad kos ar n'anareo?

Mysento
(
09/08/2009 15:38)
crionlas> Gasy ,ko ,mody miady ka.