You are here: home > Vetso

--ry zandriko--(ho an'ilay zandriko nodimandry 7 taona monj - Nali

Azo vakiana?

      ---RY  ZANDRIKO---

Raha  ho alina ny andro ka tsy hisy fiafar├ány
Nofinofy ihany  izany
F'ilay zandriko tsy foiko,mamy indrindra teto an-tany
No  nanadao  ity akany.....

Raha  ho ritra ,tsy  hisy  intsony aza izato ranomasoko
Izaho tsy maintsy mitomany...
Fa ny hanina azy izay,toa  mitambatra  ho ankasoko
Tsy ho ritra,tsy ho lany

Na dia  fito taona monja no mba niainanao ry zandry
Ampy,hono,izany
K'ilay vatanao farofy no nasaiNY nody mandry
Tsy anjaranao ny tany

               Hoy i zokinao malalanao
              Nali   12h     30 mn
Jeudi 30  Juin 2005

Tsy azo  adika na alain-tahaka raha tsy misy  alalana avy amin'ny mpanoratra
OMDA

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

ambotsy (21/11/2005 13:21:49)

mapite hitomanny ilay izy

Hametraka hevitra

Midira aloha