You are here: home > Vetso

----ZO---- - Nali

          ---NY  ZO---

Teny  tsotra sady  fohy fa litera roa monja
Nefa teny manankasina sy hevitra mafonja
Dia ny Zo ilay fananana iombonana eto an-tany
Nefa zary hifanavahana ho AMBONY sy AMBANY


Dia ny  ZO  ananao dia ny Zony  sy ny ahy
Ilay Zo ananantsika toy ny ananana fanahy
Ny  Zo ilay fanana iombonanaeto an-tany
Nefa zary hifanavahana ho ambony sy ambany

Koa moa ny olona eto an-tany samy olona ho lò
Moa va tsy iray sata moa tsy mitovy Zo?
Koa nahoana no mbola misy ihany sahy
Manosihosy ny madinika efa trotraka sy osa
Nefa OLONA MITOVY samy olombelona tontosa?

Nony efan'ANDRIAMANITRA  ,hono,Izao Tontolo Izao
Dia niomana Izy hamboatra Olona mitovy Aminy
Mba hanao ny SITRAPONY sy hanerana ny Taniny
Isika olona eto an-tany samy olona ho lò
Moa va tsy iray sata ka mitovy ZO

Nali
15 Juin 2000

Reserved  OMDA  2002

Sokajy : Ady, Ahiahy, Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha