Ny marina (Nandriana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao anaty aizina sy hazavana
No hahitana sy halalana
Fa ny marina dia fisaka
Ka matetika voahitsaka

Ao anaty kotaba sy horakoraka
Ny fato-maty no hiboraka
Ny olo - marina hangina
Ny mpanaratsy sisa hanakina

Ny marina tsy mba maty
Fa mamitsaka ao anaty
Tsy ao amin’ny olona mpitsara
Fa ao amin’izay mangarahara
--------
Rohy:
1486 1
Mpakafy: irinah1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nandriana
Nampiditra : irinah1
Daty : 17/08/2010 10:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151