nofiko (Nandriana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mikipy ny masoko dia ianao no tazako
Ianao,ianao no tonga nofiko ho malalako
Ny endrikao no misalovana,mitamberina ao an-tsaiko
Rehefa injay fafako dia mila hiongotra ny aiko

Fa ianao ilay minia maka toerana an-tsokosoko
Ianao,ianao no tsy foiko,tsy mba hosoloiko
Miantsoantso ,mirediredy anao ny ao anatiko ao
Nefa mikombona ny molotro rehefa tojo anao

O! ry embona sy hanina
Nahoana aho no majoy olo-tsy manina
Fa nahoana kosa lahy
Izaho no rendrika aminy,voafatotra tsy nahy
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1023 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nandriana
Inséré par : irinah1
Date : 17/08/2010 10:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139