FITIA EFA MATY (Nandriana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa naleviko any ambanin’ny tany
Ilay fitiavanao nakarary,nampitomany
Niniako nototorana,nofenoiko vonikazo
Vonikazo, tsy ho ela koa dia halazo

Ny fahatsiarovana rehetra nodorako avokoa
May tao koa ilay fitiavanao,mora miova fo
Niniako nodorana, nototofako kitay
Ka lavenona no setrin’ny vita hatrizay

Tsy misy fisaonana raha ny androko sisa
Ny fitia maty nilevina, tsy hasiako fitserana
Ka tsy hamadika intsony aho na hitanisa
Fa ny lasa tsy haveriko,tsy avelako hiserana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nandriana
Nampiditra : irinah1
Daty : 25/08/2010 06:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133