Ny any (Narilala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitsiky an-dranomaso aho
Haminavina ny any...
manafotra alahelo
Ny jojon'ny tomany
Eto an-takariva sina.
Any izao ilay tiana
Misangisangy orana
Mifaly antara-bolana
Anaty fenomanana...
Malala รด!
Tsy haiko ho tanana ny vetso
Fa manindra anao anatiko...
Tsy tantiko eny mantsy ny miaina singan-drery...
Fa ny rivotra mahery
Ho sinambotra fanahy...
Mtady hanao ankeriny..
Hanova indray ny anjelin'
Ny fo mangahiahy...
Hitsiky andranomaso aho
Hametso anao mangina...
Any izao ianao ee
Mamboatra ny fandriana
Fa mbola hifoha maraina eee?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Narilala
Nampiditra : mpisotrtoaka
Daty : 04/02/2015 05:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136