Any, mantsy (Narilala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ary ianao tsy hahatondra … eny, na dia kely akory
Mba hataonao vatsin-dalana na ho sira mba hilaofana
amin'ny andronao manonga sy hisian'ny mpiari-tory
Izay miventy fisarahana…eo ambohitra nilaozana
Ary voninkazo miavaka izay nasiana anaranao
sy andalan-tonombavaka amin-kira efa fanao
no injao miraondraona avy eo am-bavan'ny mpivazo
hankahery ireo misaona amin'ny vatana efa lavo.
Sasa-miandry ireo mpilanja ho ao an-dozoky ny ela
ary ny andro dia ho jamba tsy hahita anao hianjera
amin'ny andro izay nisiany
...
Ary ireto mpivahiny
Havan-davitra sy akaiky
hanakory ny hakiviany
raha nandre anao taraiky
lasa tampoka nizotra
....
Ary ireto akama kosa
mbola hanangana ny verany amin'ny rano feno poizina
hanamando indray ny lelany amin'ny ranomaso avozina
Ary ny andro dia ho mamo f'efa resinao nilefa
Any ambadika masoandro, any ambohitra poeta
feno kintam-boninahitra ary lanitra hafa loko
sy ny zavatra rehetra nentinao an-tsokosoko
tsy mba nisy izay tavela
...
Dia nangina ireto ampela
Zatra anao mpisangy fo
nanambàka ny hatsarany
tamin'ny kalo ray sy roa
....
Ary izany rehetra izany
Efa zavatra taloha….
--------
Rohy:
114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Narilala
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/01/2024 10:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168