KOLOM-PITIA Iny voninkaz (Nasandratra Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOLOM-PITIA

Iny voninkazo iny
matoa kanto ny famelany
mivelatra aok'izany
sady velombelon'aina
mitafy endrika sariaka
no maha té ho tia
ka tsiriritin'ireo mpizaha
ary indro tonga ikoizana amin'ny felambony entiny

Dia mino aho fa nisy tao :

Rano notovozin-tsiny
in-jato farafahakeliny
Nanamando izato taniny
Tsy Namela azy ho karakaina
Miampy kolo an-tapitrisa
té hametraka ho sonia
ny hatsarana tsy mitaha,
norohizam-pikirizana tamin'ny zoto ts'isy fetrany!

Iny Olona iny
Matoa tonga vanona
Hita vonona sy sahy
no maka toetran'ny masoandro...
ary feno fahendrena
sy manam-pahalalàna
izay nitondra azy ho sangany
nihoarany ny maro tao anaty ny tontolony

Dia mino aho fa nisy tao :

Ray sy Reny nihaviany
Nikolokolo tsy an-kijanona
ny vatany sy ny fanahy
Nitondra am-bavaka isan'andro...
Niady tamin'ny fahalemena
Ka nijoro ho malala
sy ho mpiahy an'ity taranany
Tsy namela azy himalo fa namono ny horohorony!

Iny fiarahana iny
matoa maharitra aman-taona
Lavi-javatra itarainana
no henikiny ny hafaliana
sy ilomanosan-tsikitsiky
mitambatra ho hasambarana
ka nofinofisin'ireo mpitazana
tiany ho raisiana ho filamatra,(ao anati-tarigetrany)

Dia mino aho fa nisy koa tao :

Tia nitandrina ny tiany
Nahatoky ny fotoana
Voavolavolan'ny fiainana
Naharesy hakiviana
ary toky misimisy
no nalainy ho hidim-baravarana
hitandroana ny fitiavana
Tsy namelany azy hiararaka tao anaty fefiny !

Nasandratra Ny Aina
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1035 2
Mpakafy: olip - hjravs
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nasandratra Ny Aina
Nampiditra : olip
Daty : 16/06/2016 04:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183