Tsiky Ankamatatra (Nasandratra Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY ANKAMATATRA !,

Asa na ahoana ny hevitry ny tsiky
nasehony omaly
Na izany ilay taram-pitia té hiara-dia
na koa sakafo vonona atolony ambilia
Fa ny foko avy
no nanavinavy
izao nanjary manina azy!

Misary tsara rafitra
nefa miharo ankamantatra.
Misangy ny tontoloko
Mandramby ny famololoko.

Ilay maso natopy narahiny angoty aza
nahalasa saina
Nanjary nitifitra ny anatiko any
ka dia nanaitra ny vinany!

Jery iriko horaisina
nefa nampitondra faisana
satria ny atim-panahiko iray manontolo
no nihorohoro
toy ny voatoraka
miandry azy hangoraka!

…Natsikiny ny molony…
...ny tànany natolony…
...ny fijeriny amin’izany mamy dia mamy...
...izato feony sy ny fihetsiny
am-poko ery no mandray ny fiatefany...
...Nanonja dia nanonja ity foko voabahany,
...na minitra vitsy monja no hany nanànany...

Rehefa vita ny tafa,
ka natao ny veloma
dia iny samy ho lasa
iny no notononiny mora farany ny anarako
ka maika fenofeno, ery ny hasambarako!
Nefa rahoviana indray?

Nasandratra Ny Aina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1165 1
Mpakafy: olip
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nasandratra Ny Aina
Nampiditra : olip
Daty : 16/06/2016 04:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142