Ny lasa homba ny lasa (Nasandratra Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LASA HOMBA NY LASA

Raha fitiavana nandalo
aza avela hampimalo
Ny fonao no kajio,
hamony mamy indray anio!

Raha fitiavana nandrendrika
aza avela handratsy endrika
Andeha angony indray ny hery
hanoneranao ny very!

Raha fitiavana nandratra
aza avela hampahantra
Asehoy ny fahendrena :
"izay mangina volamena "

Fa ny lasa homba ny lasa
ny ho avy indray no fikasa
misy ratra manao ahoana
tsy ho sitran'ny fotoana?

Mitsangana mahereza
na migaina sy miteza
f'izany dia lalam-piainana
aok'izay ny fitarainana !

Nasandratra Ny Aina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1111 2
Mpakafy: famoha - olip
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nasandratra Ny Aina
Nampiditra : olip
Daty : 16/06/2016 05:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158