Eja (Natiora Natoraly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana nandalo kanefa dia mamy
Indray Sabotsy tsy nampoiziko akory
Nahatsapako an'izany hasambarana izany
Nanaitra ilay fitiavako saika hatory

Nahatazana anao aho ka lasa vinany
Nanonofy hoe raha mba ianao tokoa manko ny anjarako
Dia notantanako sy nentiko nosaromana voaly
Ka nanisy peratra teo amin'ny tanako

Nangatahiko ianao mba hiara-haka sary
Izay nekenao tsy nisalasala
Ny foko nibitaka henoko ho faly
Fa sadaikatra mafy indray ny ahy ny vava
--------
Rohy:
177 1
Mpakafy: Natiora Natoraly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Natiora Natoraly
Nampiditra : Natiora Natoraly
Daty : 30/10/2023 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143