Ry fireneko (Natiora Natoraly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny hoy aho ry fireneko,
Izay maha-ontsa izato foko
Mangidy nefa dia ekeko
Ny krizy asainao ho sotroiko

Ireo mpitondra nifanesy
Nilaza ny hanasoa ny tanjony
Naparitany ny hevi-petsy
Mba handrotsahanao ny vatony

Zarainy ho anao ny kasikety
Sy akanjo misy ny sariny
Asainy ianao hamonjy fety
Hampienony ny kabariny

Fa rehefa azony ny seza
Tsy tadidiny ireo hafany
Omeny anao ny mahereza
F'omeny seza aloha ireo havany

Ny vidim-piainana miakatra
Dinio hoe iza aloha no diso?
Ny anio ny anao mbola tsy fantatra
Ny azy efa milamina ny ampitso

Izany ianao ry fireneko
Nefa tsy azoko hilaozana
Ny trosanao mbola babeko
Fa ataon'ny hafa ho fitaovana

Asa oviana vao ho tanteraka
Ny fandrosona antsontsoina
F'izao mbola mibaby vesatra
Ny malagasy nohabadoina
--------
Rohy:
233 1
Mpakafy: Natiora Natoraly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Natiora Natoraly
Nampiditra : Natiora Natoraly
Daty : 11/10/2023 17:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146