Tarainan-jaza am-bohoka (Natiora Natoraly)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minitra maromaro mety ho ora iray angamba
No nanamboaranareo ahy hisy eto an-tany
Fa asa hoe nahoana indrindra re ry dada???
No kasainao ho halàna tsy mba ahita mamy???

Nankafia nareo tsy mba nisaina akory
Hoe andro fady anio, tsy fanaovana hadalana
Fa maika ery ny andeha hiaraka hatory
Dia nankamamy fitiavana rehefa niakatra filàna

Izaho mba faly ery, nisakafo madio
Nihinana izay rehetra nohaninao ry neny
Saingy nisy feo niteny hoe : "Alao io zaza io"
Fa nareo mbola tsy vonona ny ho ray aman-dreny

Miangavy re ry neny ô! Reseo lahatra i dada
Ndrao ho neninao re, raha misy tsy fietezana
Avelao ho tony ny fony, fa mety ko angamba ...
Hoe tsy tamin'ny fony iny fa nentin-katezerana

Izaho tsy afaka hiady, ka hoe andrangotra sy andaka
F'asakasakareo raha toa ka hilamin-tsaina
Nareo nifankatia, dia izaho no tonga ato an-dapa
Ka miangavy mba henoy re ity zaza mitaraina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
179 2
Mpakafy: hery - Natiora Natoraly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Natiora Natoraly
Nampiditra : Natiora Natoraly
Daty : 10/11/2023 14:38
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141