KORONA VIROSY (Ndaox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola nisy ohatr’ity aretina ity
Aretina malaza sady Fanta-daza
Aretina avy any, an-tsinanana any
Inona ary izany? Hoy ianao manontany

Kôrôna no anarana, iantsoana azy
Tsy midify izy Io, na mahia na matavy
Ny kely maso hono no niletra ramanavy
Ka isiaka mianaka avy no lasa nanavy

Tsy firenena iray, na firenena roa
Fa ny planeta tany dia voa avokoa
atsaharo ny sidina, hidio ny sisintany,
fa tena loza ity fa tsy mba hananihany

Nikiropaka ny lahy Nikiropaka ny vavy
Nifandrombahana ny hevoka, ny ody sy tambavy
Hidio ny varavarana, mijanona ao antrano
Ampiasao ny savony sy ny zinga feno rano

Raha vao mahare, tranga hafahafa
Kohaka, hafanana sy maro samihafa
Aza mihanahana, manatona mpitsabo,
Fa efa maro anie no voa, tsy vitsy koa ny lavo

28/04/2021
Ndaox
--------
Rohy:
364 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ndaox
Nampiditra : Ndaox
Daty : 05/05/2021 18:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134